FJKM Manankasina : Hanorina fotodrafitrasa

Nambaran’ny mpikarakara sy ny solontenan’ny zanaka am-pielezana fa manana vina ny fiangonana FJKM Manan­kasina Fanantenana, Alakamisy Fenoarivo. « Anisan’izany ny hampitomboana ny fotodrafitrasa, ny trano vatom-piango­nana », hoy izy ireo. Na izany aza, marefo ireo ao an-toe­rana ka nahatsapa ny tokony hanampiana ny reny fiangonana hahatanteraka izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa hitadiavam-bola, ireo any am-pielezana. Nanaiky ny fiaraha-miasa ireo mpanakanto nifampizara amin’ny fandaniana ka anisan’ izany ny tarika Jaws Band, miaraka amin’ny Axecom sy ny IAM. Hanatanteraka seho etsy Antsahamanitra, ny alahady izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Tafiditra amin’ny faha-10 taona nitandreman’ny pasi­tera Rasoanandrasantsoa Sahondra izany ka handraisan-tanana azy. Eo koa ny faha-7 taon’ny tarika Jaws Band. Anisan’ny nambaran’ny mpikara­kara ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana an’Andriamanitra ary ny famaliana ny antson’ny Tompo hanao ny asany. Manampy izany ny teny fampianarana sy ny fidirana anaty fikambanana ary ireo asam-piangonana isan-tokony.

Synèse R.

Partager sur: