« Hataontsika laharam-pahamehana ny fiahiana ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa », hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Leonne, tany Ranomafana, Vatovavy, ny herinandro teo. Nanteriny fa miahy ny fisitrahan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny minisitera. Tafiditra ao anatin’ny fametrahana ny politikan’ny asa mendrika izany, araka ny nambarany. « Mahazo vokatra tsara ny firenena rehefa salama ny mpiasa », hoy ihany izy. Niantso ireo mpampiasa ny tenany mba hampiditra ireo mpiasa ho mpikambana feno amin’ireny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny mpiasa ireny ka hisitrahan’izy ireo sy ny ankohonany izany fahasalamana izany. Notsindriny fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny governemanta ao anatin’ny fanavaozana ny fanohanana ny asa mamokatra sy ny fanarenana ny sehatra tsy miankina. « Tsy misy fanavaozana maharitra raha tsy misy mpiasa mavitrika sy salama », hoy ihany izy.
Anton’ny fitsidihan’ny minisitra ny tany Ranomafana koa ny fampisehoana ny fanohanana ny ezaka ataon’ny Osier , ao amin’ity kaominina ambanivohitra ity, nefa manana izany sehatra fiahiana izany ireo mpiasa sy ny ankohonany.
“Efa manana rafitra fiahiana ara-pahasalamana ny mpiasa. Nijoro ny taona 1995 ny Osier miahy ny mpiasa sy ny ankohonany. Ahitana mpikambana 1 000 ary manamarika ny faha-30 taonany. Nametraka vina ny hampiitatra sy hanatsara ny tolotra omena ireo mpiasa sy ny ankohonany ny Osier Hanangana trano mba hanatanterahana izany isika », hoy ny tomponandraikitra.
Tatiana A




