“Trophée Magnitry Danse 5”: Norombahin’i Nahary sy i Ezra ny fandresena

Notontosaina ny 8 hatramin’ny 16 novambra lasa teo ny fifaninanana niadiana ny “Trophée Magnitry Danse 5”, taranja dihy ara-panatanjahantena, natao tany Diego. Norombahin’i Nahary sy i Ezra ny fandresena.

Ny mpandray anjara avy any Antsirabe, nahitana an’i Nahary sy i Ezra, no nandrombaka ny fandre­sena tamin’ity indray mitoraka ity. Laharana faharoa i Duval’s sy i Mounira, avy any Maha­janga ary teo amin’ny laha­rana fahatelo i Ruchilin Olivier Isaac sy Maman Faris Ruchina, avy ao Diego. Nahitana talenta tena niavaka ity andiany fahadimy ity, indrindra nisy ireo mpandray anjara azo lazaina ho vao misandratra. Tsiahi­vina fa mpifaninana nahitana couple 8 avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity “Tro­phée Magnitry Danse 5” ity, ka nahatonga solontena tamin’ izany ny avy any Fianaran­tsoa, Antsirabe, Toamasina, Maha­janga, Antananarivo, Nosy Be ary ny mampiantrano. Anko­atra ny fifaninanana toy izao, paikady apetraky ny Fe­dera­sionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, amin ‘izao, ny fampitomboana ny traikefan’ ny mpitsara. Noho ny fahatsapana ny fiakaran’ny lentan’ny dihy ara-panatanjahantena eto Madagasikara sy any ivelany no anton’izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny FMD­SS, Randrianarisoa Rijama­nitra. Mitety faritra ma­natan­teraka fampiofanana ho fanamafi­sana izany, araka izany, ny federasionina, ka anisan’ny efa nisitraka io fampiofanana io ny ligin’i Vakinan­karatra, Atsinanana ary Boeny. Mbola tsy maintsy hisitraka izany avokoa ireo ligy hafa re­hetra mba hitovian’izay lenta izay.

Mi.Raz

Partager sur: