Baolina kitra : Hitsapa fahaizana ao Nantes France i Bono

Misandratra hatrany ny Malagasy mpilalao. Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hanao fitsapana ao amin’ ny klioban’ny Fc Nantes diviziona voalohany ao France, i Bono, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha ny vaovao navoakan’ny Disciples Fc tao amin’ny pejiny, efa tonga ao amin’ny ivotoeram-piofanan’ny FC Nantes i Bono. Hanao fitsapana mandritra ny iray volana ao amin’ity klioba matiha­nina ity, ny tenany. Dingana lehibe ho an’ny baolina kitra mala­gasy izao sy ho an’i Bono manokana. Manatevin-daharana manokana ny fanohanana azy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha, ary nanampy tamin’ny fandehanany man­kany ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Ampahafan­tarina ihany fa anisan’ireo mpilalao nisongadina nandritra ny Chan 2024 farany teo i Bono, ary manavanana azy ny toerana vodilaharana havia. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa efa nilalao tao amin’io klioba frantsay Nantes Fc io, i Faneva Ima Andriatsima.

Fitia Randria

Partager sur: