“Orange kilonga M’kanety” : Lasan’ny ekipan’i Betafo ny amboara

Tontosa ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny sabotsy 1 novambra lasa teo, tany Antsi­rabe, ny andiany faha­dimy amin’ny “Orange kilonga M’kanety”, taranja tsipy kane­tibe. Fifaninanana ho an’ny sokajy 17 taona no ho midina (U17), zazalahy, nokarakarain’ ny Orange Madagascar sy ny Place de la pétanque Ampefi­loha. Nandrombaka ny am­boara i Brayan sy i Michael, mpilalaon’i Betafo, nandresy an’i Stefa sy i Fafa avy any Boeny, tamin’ny isa 13 no ho 9. Notoloran’ny mpikarakara amboara sy kanetibe ny voa­lohany, raha finday kosa ny faharoa. Nisy koa ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” ka nandresy tamin’izany i Tsito, avy any Atsimo Andre­fana.
Nahatratra 32 ny isan’ireo ekipa nandray anjara avy amin’ ny faritra folo. Nahitana an’ Analamanga, Vakinankaratra, Betafo, Atsimo Andrefana, Menabe, Boeny, Atsinanana, Itasy, Matsiatra Ambony ary Ihosy. Tanjona ny hanomezana sehatra ireo mpilalao mane­rana ny Nosy. Hanoma­nana ny mpilalao mpandimby, hita fa manana ny fahaiza-manaony, ny hetsika tahaka izao. Tsy azo odian-tsy hita mantsy ireny zava-bitan’ny sokajy zandriny, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne, ireny. Nanampy tamin’ny fanatontosana ny Federasionina mala­gasy (FSBM), ny ligin’i Vaki­nan­­karatra, ny Homeo­pharma sy ny Eteria ary ny Kefir. Na­nome ny loka kosa ny Orange Mada­gascar.

Tompondaka

Partager sur: