SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, afaka handray lalao amin’izay ny Kianjan’ny Camp Nou, ao Espagne. Ny asabotsy ho avy izao, ao ny ekipan’ny FC Barcelone no hampiantrano an-dry zareo Athletic Bilbao. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Espagne, « La Liga ». Tsiahivina fa mitana ny laha­rana faharoa ny FC Barcelone ao amin’ity fifaninanana ity.

Ho fantatra, anio, ny filaharana vaovao an’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara, eo anivon’ny Fifa. Tsiahivina fa mbola eo amin’ny laharana faha-106 izao ny ekipa nasionaly malagasy. Lalao ara-pirahalahiana tokana monja ihany no nataon’ny Barea tamin’ity ka ahina tsy hahazo isa betsaka loatra izy ireo amin’ity filaharana ity, na dia nandresy an’i Guinée Equatoriale aza.

Resy teo amin’ny ampahefa-dalana, ny Mala­gasy mpikatroka, Randriamanga Zo Aina Tsila­vina, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Jiu-jitsu Bre­ziliana, atao any Abu Dhabi. Teo amin’ny sokajy Men’s Gi/ Brown/Master 2/ 77kg no nifaninanany. Tsiahivina fa resy teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa, i Nofy Chik, ny alatsinainy lasa teo.

Nanakoako tanteraka ny lazan’i Senegal, omaly. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 8 no ho 0, ny ekipam-pirenen’i Kenya, omaly. Nahatafiditra baolina telo tamin’izay ilay kintan’ny baolina kitra senegaley, Sadio Mané. Mety hiakatra ambony ny laharan’i Senegal saingy mety hijanona ho laharana faharoa amin’ny baolina kitra eto Afrika ihany izy ireo. Tsara mampatsiahy fa resin’i Bresil 2 no ho 0 i Senegal nandritra ny lalao ara-pirahalahiana izay natao tany Bresil, ny sabotsy lasa teo.

Partager sur: