Mpianatra miisa efatra, ao amin’ny kilasy fahasivy, tetsy amin’ny sekolim-panjakana, CEG Talamaty, niharan’ny tranga hafahafa omaly maraina. Nibitabitaka, nitsipatsipaka, nitabataba, nitomany, niha sempotra ary niafara tamin’ny fahatoranana mihitsy ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana. Nifindra tamin’ireo iray kilasy taminy izany ka nisehoan’ilay tranga ihany koa ny ankizy telo hafa. Noho ny haherin’ny zava-niseho, niteraka tahotra teo amin’ny samy mpianatra izany. Efa nalefa notsaboina moa ireo ankizy tsy salama ireo.
Tsy fantatra mazava ny tena antony mahatonga io tranga io. Misy ny mihevitra fa noho ny hanoanana diso tafahoatra ny anton’ny aretina. Heverina ho vokatry ny fikorontanana ara-tsaina iombonana (hystérie collective) kosa izany, raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Ilaina hatrany fahamailoana ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Ilaina koa ny fanaraha-maso, ny fifampiresahana ary ny fanohanana ara-tsaina mba hiarovana ny ankizy sy ny tanora.
Efa maro ny sekoly niharan’io tranga hafahafa io teto an-drenivohitra, tamin’ny taon-dasa. Anisan’ny nahitana izany ny teny amin’ny sekoly iray eny Itaosy. Voalaza tamin’izany fa voan’ny “spasmophilie” ireo ankizy nitrangan’izany. Efa nahitana izany koa ny teny amin’ny toeram-pianarana iray eny Soavina.
Marihina fa tsy nahazo niditra tao amin’io sekoly nisehoan’ny tranga, tetsy Talatamaty, io moa ny mpanao gazety, raha nanamarina ny zava-nitranga teny an-toerana. Nanambara ireo mpanabe tao an-tsekoly fa tsy nampiantso mpanao gazety izy ireo. Tsy nahazoana vaovao noho izany tao amin’ny tomponandraikitry ny sekoly.
Mino




