Mananosarotra ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana eto Madagasikara. Tanora avokoa ny 70% ny tsy an’asa raha 8% ireo tanora mitady asa no mikasa hanangana orinasa, araka ny tarehimarika navoakan’ny fikambanana misehatra amin’ny fanofanana ny tontolon’ny fandraharahana, « Centre d’excellence et d’entrepreneuriat, » (Ceentre), omaly. « Mila volena ao amin’ny tanora ny toe-tsaina mandraharaha ka ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite no hofanina sy ampiana amin’ny resaka fandraharahana », hoy ny filoha tale jeneralin’ny fikambanana, Rakotomanana Rivelt. Na izany aza, mila fitaizana manokana ny fandraharahana hanamorana ireo dingana tsy maintsy ho lalovany sy tokony hatao. Antony indrindra hanohanan’ny fikambanana Ceentre ireo tanora liana sy te handraharaha.
“Ambany ny tahan’ny famoronan’asa eto amintsika. Miisa 433 ireo orinasa niforona teto Madagasikara tao anatin’ny telo volana faran’ny taona 2024”, hoy hatrany ny fikambanana. Niakatra 20,2% io taha io raha oharina tamin’ny vanim-potoana mitovy amin’io ny taona 2023, araka ny tarehimarika navoakan’ny Economic Development Board Madagascar (EDBM). Ao Senegal, tafakatra hatrany amin’ny 28 401 ny orinasa misokatra ao anatin’ny telo volana.
Henintsoa




