Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB.
Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka marobe, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Notontosaina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy izay rehetra mifandraika amin’ny fikarakarana ny fifaninanana. Anisan’ny naneho izay fahavononana izay ny Yas Madagascar izay nilaza fa hifanohana amin’ny fahombiazan’ity fifaninanana goavana hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, afaka 16 andro, ity. Tsiahivina fa ekipa 24 no handray anjara (14 ao amin’ny sokajy lehilahy, 10 ao amin’ny sokajy vehivavy). Tafiditra anatin’ny fifaninanana manan-danja amin’ny fiadiana ny tapakila ho an’ny lalao olympika 2028 hatao any Los Angeles izany. Ankoatra izay, fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa ity “Fiba Africa Cup 3×3” ity. Ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay no mitazona ny anaram-boninahitra amin’izao fotoana izao, na ny sokajy lahy, na ny vavy. Vonona ny mbola hitazona izany izy ireo. Mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fanomanan-tena ataon’ireo mpilalao. Mbola misy mpilalao 10 avy isan-tsokajy manaraka ny fampivondronana eto Antananarivo, hatreto. Misy hatrany ny sivana mialoha ny hamoahana ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ity “Fiba Africa Cup 3×3” ity.
Mi.Raz




