Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder

Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity.
Nilaza ny tenany fa vonona tanteraka izy hanome ny tsara indrindra avy aminy, ary hiezaka ny hitondra avo ny anaram-boninahitr’i Madaga­si­kara.
Tsara marihina fa ny Kaonfederasionina afrikanina CAC no miantoka ny fandehanan’i Houlder Amédé any Ke­nya. Noho ny fahaiza-manaony nandritra ny “Mon­dial” natao tany Rwanda farany teo no nahatonga ny CAC niantoka azy. Nanohana ara-bola azy kosa ny Federa­sionina malagasin’ny bisikileta.
Mampalahelo ihany anefa ny nahare fa tsy nisy ny fanampiana avy amin’ny minisitera mpiahy. Ny minisitra vaovao izay nilaza fa tsy ha­navaka ireo taranja rehetra eto Madaga­si­kara. Ny mahagaga ny mpanara-baovao dia toa misy ihany ny hampiana ary misy no tsy ma­­hazo izany, nefa samy mi­tondra avo ny anaran’i Mada­ga­sikara izao ihany. Porofon’ iza­ny ny tsy nahazoan’ireo atleta bodybuilding tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tany Indo­ne­sie farany teo, nefa ny ekipa nasionalin’ny taranja hafa no­raisina teny amin’ny birao sy notolorana vatsin-dalana mi­ampy tsodrano avokoa.

Fitia Randria

Partager sur: