Vangaindrano : Mpisandoka ho mpitsabo nify nogadraina

Tsy mitsitsy amin’ireo misandoka ny asany ny Holafitry ny mpitsabo nify eto Madagasikara.
Lehilahy 3 indray no nampidirina vonjimaika am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy rehefa tratra nanao asa fanalana nify sy fanaovana solonify tany Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana.
Lamandy 2 000 000Ar hatramin’ny 50 000 000Ar sy fampidirana am-ponja 2 volana hatramin’ny 2 taona ary fanagiazana ny fitaovana rehetra no sazy ho an’izay melohin’ny fitsarana mahakasika izany fisandohana andraikitra izany.
Taorian’ny fanadihadiana, fantatra fa tsy manana mari-pahaizana mahakasika ny fanaovana solonify na ny fitsa­boana na fanalana nify izy ireo.
Efa nisy ny fanentanana natao tamin’ny haino aman-jery sy fanaterana taratasy fampitandremana sy fampitsaharana ny asa tsy nahazoana alalana ireo olona miisa 77 manao io asa io mitety tsena sy mamonjy toerana vory vahoaka.
Ny Holafitry ny mpitsabo nify dia manamafy ny fanenta­nana fa voafehin’ny lalàna mahakasika ny fahasalamana, “Code de Santé”, ny asa mahakasika ny nify sy ny ati-vava.

Tatiana A

Partager sur: