Échec-Analamanga : Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana

Fantatra omaly ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny birao hitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échec. Hotanterahina ny 20 desambra izao izany fifidianana izany ka efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hirotsaka ho fidina hitantana ny ligin’Analamanga, ho an’ny efa-taona manaraka. Nanomboka omaly 20 novambra ary hifarana ny 5 desambra izao izay fandraisana ny antontan-taratasy izay. Ny 6 sy 7 desambra kosa no hanao­vana ny fanamarinana ny antontan-taratasy ary manana hatramin’ny 11 desambra ireo izay tsy nahafeno izany. Ny 12 desambra no hamoahana ny lisitr’ireo kandidà hofidina ary ny 13 hatramin’ny 19 desambra ny hahafahan’ny kandidà tsirairay manatanteraka fampielezan-kevitra. Raha ny efa fantatra, manana kandidà harotsaka amin’izao fifidianana izao ny birao mitantana ankehitriny.

Mi.Raz

Partager sur: