Nahazo laharana iray indray ny Barean’i Madagasikara tamin’ny filaharan’ny Fifa, izay nivoaka afakomaly. Mipetraka eo amin’ny laharana faha-105 ny ekipa nasionaly malagasy, ary aorian’izy ireo i Armenia, ilay firenena resin’i Portugal, 9 no ho 1, nandritra ny ady tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.
Nitohy omaly ary hifarana anio, ao amin’ny Kianja mitafo Ambatomena Fianarantsoa, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra, iarahana amin’ny mpampiofana matihanina avy ao amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ ny volley-ball sy ny ligy Matsiatra Ambony.
Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa izay hatao any Lisbonne, ny fiandohan’ny taona 2026 izao, ny Malagasy mpikatroka, Ranarivelo Xavier. Mpitantana ny klioban’ny 101 Jiu-jitsu izy ary efa niangaly ity taranja ity an-taonany maro. Maniry ny handrombaka medaly izy amin’ity fifaninanana hatrehiny ity.




