Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafaporitsaka kosa ny efatra hafa. Very nandritra io fisavana io ny findain’ny tompon-trano.
Efa mandray an-tanana ny raharaha ny sampam-pikarohana heloka bevava an’ny Zandarimaria etsy Fiadanana. Henoina eny ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ireo vavolombelona. Efa voatazona eny koa ireo miaramila roa lahy voasambotra. Tsy ara-dalàna ny fisavana ary nisandoka andraikitra ireo lehilahy enina tonga nanatanteraka izany. Mpitandro filaminana daholo izy ireo, miaramila ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha ny efatra ary polisy ny roa, raha ny fanazavana voaray. Nitonona ho avy amin’ny Sacs Toby Ratsimandrava sy avy amin’ny BC Anosy izy ireo, saingy tsy nampiseho taratasy ara-dalàna. Tsy nisy nanao fanamiana maha mpitandro filaminana azy ireo koa.
Mino




