TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy tompona rongony milanja 60 kg, tao Betroka, afakomaly. Nokasaina haparitaka ireo rongony ireo saingy voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ny valizy nitondrana azy. Mitohy ny fanadihadiana.

Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo olona roa tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny, afakomaly. Notapa­hin’izy ireo ny tananan’ilay zaza ary mbola norahonany ny ray aman-drenin’ity farany.

Kamiao sy Sprinter iray mpitatitra entana nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tsy lavitry ny tetezan’i Fatihita, omaly. Nandeha mafy ilay fiara sprinter kinanjo tsy nitàna ny hisatra. Tsy nisy aina nafoy.

Naratra mafy ny mpandeha iray tamin’ireo enina tao anatin’ny fiara tra-doza tany Mangily-Toliara, omaly maraina. Nandeha mafy ny fiara ka tsy voafehin’ny mpamily. Nivadika ary tafavoaka ny lalana.

Partager sur: