Omaly 21 novambra ny daty voatondron’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanombohan’ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena «D2 National». Tsy raikitra ny lalao ho an’ireo miatrika izany any Mahajanga. Nitokona ireo mpitsara lalao ary nilanja sorabaventy tao amin’ny Kianja Rabemananjara, tokony hanaovana ny fifaninanana. Takin’izy ireo ny handoavana ny tambin-karamany tamin’ny taon-dasa sy ireo mbola tsy voaloa.
Raha ny voalaza, mitentina 43 tapitrisa Ar eo ho eo ny volan’ireo mpitsara manerana ny Nosy tsy voaefan’ny Federasionina malagasy, nandritra ny telo taona. Ankoatra io, takin’izy ireo koa, araka ny sorabaventy nolanjain’izy ireo, ny fialan’ny filohan’ny federasionina sy ireo komity mpitantana rehetra mandrafitra izany, amin’izao fotoana. Raha tsiahivina, ekipa enina no tokony hiatrika ny fifaninanana any an-toerana dia ny AS Vanilantsika (Sava), ny TGBC Academie Atsinanana, ny Olympique de Mangoro (Alaotra Mangoro), ny Clinique Zanatany Sofia, ny Ased Diana ary ny AJSM Melaky.
Ankoatra ny any Mahajanga, misy koa ireo mifaninana any Toliara, ahitana ny COPN Analamanga, ny Antimo Record Atsimo Andrefana, ny Andakary City V7V, ny FC Manjaka Ihorombe, ny FC Black JSF Amoron’i Mania ary ny AS Jet Bongolava.
Tompondaka




