Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : Hampiantrano ny fivoriana i Madagasikara

Handray ny fihaonana an-tampon’ny firenena afrikanina aty amin’ny faritra andrefana, ao amin’ny vondrona Sadc, misehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza i Madagasikara. Hatao ny 25 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, eny Alarobia, izany.

“I Madagasikara no miantoka ny fanamorana ny fivoriana sy mampiantrano izany fa ny firenena afrikanina tatsimo no mitarika ny fandrindrana ny asa rehetra, araka ny lamina”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, kolonely Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andrainarivo.
Fivoriana hotanterahina mandritra ny hateloana, mo­mba ny asa atao mialoha sy ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny asa fampihenana ny fiantraikan’ny loza amin’ny mpiara-belona io. Tanjona ny hahafahana ma­me­traka kalitao momba ny famantarana ny vina amin’ny fahatongavan’ny loza. Han­drin­drana ihany koa ny fomba famatsiam-bola ny asa sy hametrahana ny andraikitry ny tsirairay mandritra ny fanomanana, ny fandalovany ary aorian’ny loza. Aorian’ny hateloana, hamoaka tsoa-kevitra hanatsarana ny fiomanana ny firenena 16 mivory.
Ho an’i Madagasikara, fotoana hanatsarana ny kalitao momba ny famerenana amin’ny laoniny ny tolotra fototra ho an’ny vahoaka (lalana, famatsiana solika) ity fivoriana hatrehina ity. Eto Afrika, efa manana ny lazany isika amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka hampiseho amin’ny mpivory ny rafi-panairana efa misy sy ny drafitra fitantanana izany.
Momba ny fiatrehana ny loza mandritra ny taom-pahavaratra 2025-2026, efa ao anatin’ny fiomanana ny BNGRC ary nohavaozina ny drafitra fitantana izany ho an’ny any amin’ny faritra Atsi­mo Atsinanana, Atsimo An­drefana ary Avaratra Atsina­nan’ny Nosy (Sava). Hotante­rahina ny volana desambra hoavy izao ny drafitrasa nasionaly miainga avy ao amin’ny foiben’ny BNGRC, anisan’ny fampiharana ny fanazaran-tena iantefa amin’ny faritra. Tafiditra ao ny distrikan’ Am­panihy, Amboasary Atsimo ary Ambovombe satria ahitana haintany sy tondradrano ireo distrika ireo tao anatin’ny roa taona izay.

Vonjy

Partager sur: