Vita ny tombana momba ny fanadinana bakalorea taona 2025 nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 teo ny fampiasana ny “caméra de surveillance” sy ny rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina. Nahomby ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cybercriminalité” nanenjehana ireo mpivarotra laza adina sy ny fitomboan’ny ivontoeram-panadinana, lasa 179.
Fanamby ho an’ny taona hoavy kosa ny fahaleovantenan’ny Oniversitem-paritra ao Vakinankaratra, Itasy, Analanjirofo ary Sava amin’ny fikarakarana ny fanadinana, ny famongorana ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fotoana sy ny halatahaka ary ny fanafoanana ireo endrika kolikoly misy amin’ny fanadinana.
Hohatsaraina ny fomba fiasa, hangatahina ny mba hisian’ny fanatsarana ny tetibola sy fampitaovana ho an’ny fanadinana bakalorea.
Nilaza ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, fa ilaina ny fiaraha-mientana ho amin’ny fanadinana bakalorea madio, azo antoka ary manome fahafahana ho an’ny tanora malagasy.
Nifarimbonan’ny minisitera 3 tonta sy ny polisy sy ny zandary ary ny Tafika, niaraka tamin’ireo mpisehatra maro amin’ny fikarakarana fanadinana eny anivon’ny Oniversite, ny dinika.
Tatiana A




