Mbola hita taratra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka ho an’ny afovoan-tany, faritra avaratra andrefana ary morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity.
Nanentana manokana momba ny fahadiovana sy ny fitondran-tena maha tomponandraikitra ny « Cellule d’engagement civique et environnemental (CECE) » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanamafisana ny fitondran-tena mendrika sy fihetsika mifanaraka amin’ny asa sy ny fampiharana ary ny fanamafisana ny fahadiovana amin’ny toerana iombonana. Eo koa ny fikajiana ireo efitra sy fitaovana ampiasain’ny rehetra.
Efa nametraka sakafo sy nijery ny fitaovana ilaina amin’ny famonjena aina ho an’ny faritra Atsinanana, Avaratra Atsinanana, Atsimo Andrefana ny mpiasa eny amin’ny biraom-paritry ny BNGRC. Ny havandra no nanimba ny voly ka efa nandray andraikitra manoloana izany ny minisiteran’ny Fambolena, araka ny tatitra tonga teny anivon’ny BNGRC. Tsy mbola naharaisana tatitra kosa ny rano miakatra vokatry ny rotsakorana hatramin’izao, hoy ny tale jeneralin’y BNGRC, omaly.




