Hasarotam-piaro : Vehivavy noleram-badiny antsy, namoy ny ainy

Noleran-drangahy antsy ka namoy ny ainy ny vadiny, ny zoma 21 novambra teo, tao amin’ny distrikan’i Marovoay. Namono tena io lehilahy io saingy tsy maty.

Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anka­boka, distrikan’i Marovoay, ny marain’ny zoma 21 novambra lasa teo. Nifamaly tamin’ny vadiny teo aloha io vehivavy io kinanjo niafara tamin’ny tsatok’antsy izany. Niafara tamin’ny famoizana aina. Nitrangana tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady ireo ka nisara-toerana efa ho volana maromaro. Nifindra ka niverina nonina tao amin’ny fokontany Anka­boka ilay vehivavy. Nanatona azy tany an-toerana anefa ilay lehilahy vadiny. Nanam-pikasana hampody an’io vadiny io izy, araka ny loharanom-baovao. Nanda izany ilay vehivavy. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta noho io tsy faneken-dramatoa ny fangatahan’ilay rangahy io rehefa tolakandro. “Nahatratra lehilahy tao amin’io ramatoa vadiny io ilay rangahy tamin’io fotoana io ka nitarika ny ady”, hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny vondron-tobim-paritra Mahajanga. Nivadika ho fi­fam­pikasihan-tanana izany. Nampiasa zava-maranitra ilay rangahy ka notrobarany tamin’ny antsy io ramatoa vadiny io, araka ny loharanom-baovao.

Manaraka fitsaboana
Nitsirara tamin’ny tany, tsy nahatsiaro tena intsony ilay vehivavy. Nanindron-tena tamin’ny antsy koa ralehilahy taorian’izay. Niezaka namono tena ity farany. Natsatony teo amin’ny kibony koa ny antsy. Nifamonjen’ny mponina manodidina izy roa. Tsy avotra intsony ilay ramatoa tamin’io fotoana io. Nesorina ny antsy teo amin’ny kibon’ilay rangahy ka notsaboin’ny mpitsabo. “Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly Androva io lehilahy io”, raha ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny zandarimaria misahana ny famotorana, omaly. Nalaky ny famonjen’ny mpitsabo azy. Hiroso amin’ny famotorana azy ny mpanao fanadihadiana rehefa mahazo fahasalamana io lehilahy namono ny vadiny io.

Tsiferana R.

Partager sur: