Ambatofotsy Avaradrano : Orinasa iray hotohoton’ny afo

Kilan’ny afo tanteraka ny orinasa iray mpanodina rofia hamokarana harona eny Ambatofotsy Avaradrano, omaly tolakandro. Nirehitra tampoka ny trano lehibe iray. Nalaky nihombo izany ka tsy afa-nanao na inona na inona intsony ny tompon’ny trano lasibatra. Orinasa mikirakira akora fototra toy ny rofia izy io. Manondrana ny Vokatra vita malagasy izy ireo ka anisan’izany ny harona. Naharay fampahafantarana, niatrana teny an-toerana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Nifehy ny afo tsy hiparitaka tamin’’ireo trano manodidina ireto farany. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny afo. Nanamafy ny mponina eny an-toerana fa matetika loatra ny fahatapahan-jiro ka ahin’izy ireo ho izany noniteraka ny voina, fifampikasohan’ny herinaratra. “Etsy ankilany, varatra no niteraka ny fifampikasohan’ny herinaratra ka nahatonga ny loza”, hoy ny tompon’ny orinasa. Anatin’ny fanatontosana ny fanadihadiana tanteraka momba io tranga io ny mpitandro filaminana. Naharitra ora roa mahery ny firehetana.

Tsiferana R.

Partager sur: