Ranohira : Tratra ireo roa lahy mpivarotra voamaso

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy tratra nivarotra voamaso tao amin’ny kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, afakomaly. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa misy roa lahy nikasa hivarotra voamason’olona mihaodihaody tao an-tanàna. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy sy nanao ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Nilaza ho mitady mpividy ny entana ireo roa lahy. Noraisim-potsiny niaraka ta­min’ny voamaso miisa roa izy ireo. Tsy afa-nandositra intsony ka notanana, ny 19 novambra lasa teo. Natao famotorana, nilaza ho avy any amin’ny kaominina Berenty izy ireo. Nanokafan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny fitaleavam-paritra Ihorombe fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana taorian’io. Marihina, matetika hitrangana halatra voamaso ao amin’io faritra io tao anatin’ny telo taona nisesy. Fanaovana sorona any amin’ ny karieram-bato matetika no antony hanaovan’ireo mpanao ratsy io halatra taova io, araka ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: