TSELATRA

Mpanao sinto-mahery tratran’ny polisy teny Marais-Masay, ny marain’ny alakamisy 20 novambra teo. Vehivavy nanao fanatanjahan-tena maraina no nararaotin’io lehilahy io nosintomina an-keriny ny finday teny aminy. Nikasa handositra ny mpanao ratsy saingy nifanenjehana ka voasambotra.
Efa-dahy mpisoloky saron’ny mpitandro filaminana tao Belo/Tsiribihina, ny 21 novambra teo. Nilaza ho manana mena-bato ireo mpanao ratsy ireo. Misandoka fiaviana sy nahatrarana finday miisa sivy fampiasany manao ny asa ratsy ihany koa.
Lehilahy mpanao hala-boty voasambotry ny fokonolona tao Isoraka, omaly maraina. Niharan’ny daroka io mpangalatra io ary natolotr’ireo nahasambotra azy teny anivon’ny mpitandro filaminana.
Hazo sarobidy mitotaly 400 isa sarona saika haondrana tao amin’ny seranan-tsambon’i Ankalalobe, Ampadikoara, kaominina Ankisatra, distrikan’i Maintirano, afakomaly. Voamboana sy hazo anakaraka avokoa ireo nogiazana ireo.

Partager sur: