“Muay Thai Tournament 3 ” : Tratra ny tanjona, ady 30 no nitranga

Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”. Ady 30 no nitranga.

Tratra ny tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny GISL (Grande île sports loisirs), Razanajatovo Carine. Ny fitiavana ny taranja Muay Thai, hoy izy, no tena nandrisika azy ireo hanatanteraka fifaninanana matihanina toy izao. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny taranja. Ny hanatsara ny taranja Muay thai no tanjona ka niampita izay hafatra izay, hoy hatrany ny nambaran’ity filohan’ny GISL ity. Araka ny neritreretina ihany koa ny teo amin’ny lafiny mpijery izay nahitana ta­ratra fa tian’ny olona ilay ta­ranja. Nanamafy izany ny maître Razanajatovo Gildas, Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina mala­gasin’ny Muay thai, izay nilaza fa nizotra araka ny tokony ho izy ity andiany fahatelo izay natao tao Toamasina ity. Ady manodidina ny 30 teo no nitranga izay nisy ny manasa-dalana sy ny famaranana. Anisan’ny ady nandrasana ny ady teo amin’i Johary (GISL) sy i Sitrama (Big Foot), sokajy latsaky ny 44 kg. Nivoaka ho mpandresy, tamin’izany, i Johary izay nilaza fa efa na­nomboka ta­min’ny “Muay Thai Tour­na­ment 2” izy no nanomana ity ady ity ary na­nampy betsaka azy ny mpanazatrany, ka antoka nahazoany izao fandresena izao. Teo amin’ny vehivavy kosa, niakatra ringy voalohany i Cathy (Black Ti­ger’s) sy i Sandra (Phoenix), teo amin’ny sokajy latsaky ny 48 kg. Azon’i Cathy ny fandresena tamin’izany. Taorian’izay nifampitàna indray i Voary (Black Tiger’s) sy i Manou (GISL), anisan’ny tena niady ihany koa. Tsiahi­vina fa nam­pivondrona ny mpikatroka Muay Thai manerana ny Nosy ity andiany fa­hatelo amin’ny Muay Thai Tourna­ment ity satria nisy ma­robe ireo avy any Ambosi­tra, Antsi­rabe, Anta­nanarivo Ary Toa­masina sy ny faritra hafa nandray anjara tamin’izany. Eto Antanana­rivo kosa no hanatanterahana ny famaranana lehibe amin’ity fifaninanana “Muay Thai Tourna­ment” ity, izay hatao ny 21 de­sambra izao. Hisy ny fa­nomezana goavana sy mari-pankasitrahana maro amin’io famaranana lehibe io. Hisy ihany koa ny “Trophée de choc” izay ka­rakarain’ny GISL ihany amin’ny taona hoavy.

Mi.Raz

Ampahany tamin’ny vokatra

-40kg: i Sedera (Ambositra) nandresy an’i Dylan (Toama­sina)
-44kg: i Johary (GISL) nandresy an’i Sitrama (Big Foot)
-63kg: i Patrick (Black Tiger’s) nandresy an’i Angelo (COSPN)
-48 kg: i Cathy (Black Tiger’s) nandresy an’ i Sandra (Phoenix)
-51kg: i Manoa (GISL) nandresy an’i Voary (Black Tiger’s)
-63kg: i Olga (MTA) nandresy an’i Patty (Prestige).

Partager sur: