Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manjakaray. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa saingy votsotra ny baolina tokony ho voatsindry.
Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra koa ny an’ny TFMA Ankasina sy ny CEA Andranomanalina. Nandresy tamin’ny isa 32 no ho 8, ny CEA. Niady ny fihaonana ho an’ny 40 mn voalohany. Porofon’izany, efa tany amin’ny minitra faha-38 vao nahatonga baolina nenti-tanana i Julio, ho an’ny CEA, saingy tsy voatsara. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 5 no ho 0 io. Fizaram-potoana faharoa, naneho ny heriny ny CEA, notarihin’i Mika sy i Jean-Yves ary i Romeo, ka nisesy ny baolina nenti-tanana. Tsy nahafaty afa-tsy “hors jeu” sy baolina nenti-tanana tsy voatsara ny TFMA. Ho an’ny vokatra hafa, lavon’ny Uscar, 43 no ho 10 ny Cheminots.
Tompondaka




