Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim

Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim).

Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra fototra izy io, toy ny fanodinana ny voka-pambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, ny lohamenaka, sns. Antony na­metrahana ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasi­kara (Cnim). Hanaraka ny dingana rehetra ity rafitra ity ka hanara-maso ny fanatanterahana ny fandraisan’andraikitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, araka ny voasoratra ao anatin’ny fandaharanasa maharitry ny indostria (pacte industriel), izay vita sonia ny volana aogositra 2023, taorian’ny fifanakalozan-kevitry ny roa tonta. Ho vaindohan-draharahan’ity filankevi-pirenena ity ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana eto Ma­dagasikara. Kendrena ao anatin’izany ny hampitombo avo roa heny ny harinkarena faobe (PIB) entin’ny sehatra indostrialy hatramin’ny taona 2040 (15% ho lasa 30%). « Rafitra mpanara-maso ara-teknika sy fitaovana sarobidy ho an’ny fi­tohizan’ny asa manoloana ny fampandrosoana stratejika ny indostria ny Cnim. Mametraka ny dingana iray lehibe ho amin’ny fampiroboroboana ny in­dostria ma­haritra sy mahomby izany », hoy ny filoha mpitantana, Andriamanalina Rivo.

Andraikitra
Hanamafy ny fahaiza-ma­nao sy ny fifaninan’ny indostria malagasy ny Cnim ka ham­piroborobo ny famoronana asa mendrika mifanaraka amin’ny filàna eto an-toerana. Noho izany, hamarin-toerana ny tontolon’ny fandraharahana ity rafitra vaovao tohanan’
ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ity. Andraikiny ihany koa ny mijery ny fampiasam-bola mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: