VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. Marihina fa misitraka tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana ny orinasa hanamaivanana ny fatiantoka eo aminy.
Mila atao mazava ny faktiora sy mangaraha ny vidin’entana mba tsy hisian’ny fanararaotana amin’ny endriny rehetra. Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fitaterana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana hamahana ny olana sedrain’ireo mpandrahara eny amin’ny seranan-tsambo amin’ny fampidirana entana. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho an’ny tombontsoa iombonana, indrindra amin’ny famatsiana ny tsena, anatin’ny mangarahara.
Niara-namboly honko tamina velarana 1ha tao amin’ny kaominina Bemanevika Andrefana sy 0,5 ha tao Djabala, kaominina Nosy Be, ny mponina nandritra ny « festival’ honko ». Hetsika natao hanamafisana ny fanentanana amin’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ala honko. Tanjona ny hampivondronana ny mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana sy ny fanetsehana ny tsirairay amin’ny fandraisana andraikitra momba ny fiarovana izany.

Partager sur: