Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampahibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fanitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa, omaly, nandritra ny fitsidihana tampoka nataony teny amin’ny foiben’ny Mvola etsy Ankorondrano. Hentitra ny minisitra manoloana ny fikorontanan’ny tolotra izay mampitaraina ny mpanjifa sy ho fampiharana ny fanavaozana andrasan’ny maro eo amin’ny sehatry ny niomerika. “Hampiharina ny vondrona fanaraha-maso maharitra eo anivon’ny minisitera sy ny mpandraharaha mobile money. Hampitomboina ny fepetra ara-teknika miaro amin’ny fanapahana, ny drafitra fitohizana sy ny fanarenana amin’ny loza”, hoy ny minisitra. Tafiditra ao anatin’izay ny fanadihadiana tsy tapaka momba ny fiarovana sy ny fahamarinan-toerana. Atao ireo mba hiantohana ny fanatsarana maharitra. Hanamafisana ireo fepetra napetraka ny hananganana ny rafitra nasionaly momba ny “Resilience numérique”.
Henintsoa




