Hotanterahina manomboka ny volana desambra izao ka hatramin’ny volana marsa 2026 ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM 2025), andiany faharoa, izay karakarain’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Fitaovana fototra ahafahana manombana ny fari-piainan’ny mponina sy hamokarana ireo tondro sosialy sy ara-toekarena lehibe ampiasain’ny fanjakana ny EPM. Manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izy io, indrindra amin’ ny ady amin’ny fahantrana. « Hiparitaka manerana ny Nosy ireo mpanadihady miisa 200 ary hifantoka amina tokantrano
4 000 izay voafidy ho santionan’izy ireo », raha ny fanambarana nataon’ny minisitera. Ara-dalàna sy manaraka ny fepetra iraisam-pirenena ny EPM, tafiditra indrindra amin’ny paikadim-pirenena miady amin’ny fahantrana. Araka izany, hamoaka sary mazava momba ny fari-piainan’ny tokantrano malagasy sy ny andavanandron’ny mponina ary ny tahirin-kevitra marolafy ny fanadihadiana. Ho hita ao anatin’izany avokoa ny fandaniana, ny fidiram-bola, ny asa, ny fanabeazana. Tafiditra ao anatin’izay ny fitsirihana ireo zo fototra toy ny fahasalamana.
Henintsoa




