Tafakatra 3 202,1 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana tao anatin’ny 10 volana voalohan’ny taona 2025. Azo nandritra ny volana oktobra ny 382 miliara Ar tamin’io vola io. Mitentina 19 464,3 miliara Ar ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena tontosa nandritra ny 10 volana tamin’ity taona ity. Hatreto, mbola i Eoropa sy Etazonia no mpandray ny ankamaroan’ny vokatra malagasy.
Mananosarotra ny famokaran’ny indostria malagasy manoloana ny fahatapahan-jiro. Tena mampihena ny fihodinan’ny orinasa izany. Manampy izay ny fahasimban’ny fitaovana ary atahorana hampiato tanteraka ny famokarana, izay tonga hatramin’ny fampihenana ny mpiasa. Mangataka ny hijerena ny zava-misy ny mpamokatra ka hametrahana ny politika mazava entina hampirisihina ny indostria hamokatra angovo.
Miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, Taolagnaro, ny sambo Azamara Pursuit. Mpizahatany miisa 673 no entin’ity sambo lehibe ity. Izy ireo izay tonga nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra nanomboka omaly. Navoitra nandritra ny fandalovan’ireo vahiny avokoa ny asa tanana mampiavaka ny faritra. Ainga vao amin’ny sehatry ny fizahantany izao fahatongavan’ny sambo vahiny izao.




