Ankizy 400 tapitrisa miaina anaty fahantrana : Mila mametraka politika mahomby ny fanjakana

Ambony ny ambana hidiran’ny ankizy maro anatin’ny fahantrana noho ny fampihenana ny vola fanampiana natokana hampiasaina hiarovana azy ireny, maneran-tany.

Maherin’ny 400 tapitrisa ny zaza miaina anaty fahantrana ka tsy afaka mahazo sakafo sahaza sady tsy midio araka ny filana andavanandro, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef tao anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy, ny herinandro lasa teo. Mana­mpy trotraka ny zava-misy ny ady sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro tsy ahazoan’ny ankizy misitraka ireo zo fototra.
Ireo firenena mahantra sy andalam-pandrosoana mahatratra 130 no ahitana zaza maro miaina anaty fahantrana marolafy. Hita taratra ireo amin’ny sehatra fanabeazana, fahasalamana, trano fone­nana, sakafo, fahazoana rano madio ary ny fidiovana. “An­kizy 118 tapitrisa no tsy afaka misitraka zo telo amin’ireo enina voalaza nefa misy fiantraikany goavana amin’ny fa­hasalamana sy ny fivelaran’ny zaza amin’ny ankapobeny izany toe-javatra izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Unicef, Catherine Russell. Azo ovana anefa izany raha mametraka politika mahomby hanitsiana ny zava-misy ny fanjakana tsirairay.
Eto Madagasikara, 67% ny ankizy no tsy afaka misitraka zo roa raha 40% kosa ireo tsy voahaja ny zo efatra no ho mihoatra. Ireo zaza monina amin’ny faritra Androy sy Menabe no maro an’isa voakasika, satria mahatratra 90% ny tahan’ny fahantrana marolafy.
Voalazan’ny tatitra fa mam­piroborobo ny tsy fisitrahan’ny ankizy sakafo, fahasalamana sy fanabeazana ma­nana kalitao ny fahantrana ara-bola. 19% ny zaza maneran-tany no miaina anaty fahantrana ara-bola lalina, 3 dolara isan’andro ny vola ampiasaina ho an’ny filana rehetra. Ho an’ny zaza malagasy, 83% ny ankizy miaina anaty fahantrana ara-bola lalina, araka ny tomban’ny Unicef sy ny Instat. Ho an’ireo olona maro an-trano (olona 13 miara-monina) aza, 100% ilay tahan’ny fahan­trana lalina ara-bola.

Vonjy

Partager sur: