Ampahany lehibe amin’ny fanomezana fanabeazana sy fampiofanana kalitao ho an’ny mpianatra ny fampiofanana ara-pahasalamana. Anisan’izany ny fanentanana sy fiarovana amin’ny VIH/Sida, aretina mbola mitombo hatrany amin’izao fotoana izao.
Tontosa ny volana oktobra teo, nandritra ny hefarana, ny fiofanana ho an’ireo mpianatra JPE tao amin’ny LTP Toliara sy ireo mpanabe ao amin’ny CFPF. Ny 10 ka hatramin’ny 13 novambra lasa teo kosa ny tao amin’ny CFPF sy LTP Mananjary.
Miara-miasa hatrany ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale, ny Unesco ary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanatrarana ny tanjona iombonana amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo amin’ny tanora, ao anatin’ny tetikasa O3.
Tanjona ny hampitombo ny fahalalan’ireo mpiofana momba ny VIH/Sida, hahafahan’izy ireo manao fanentanana eo anivon’ny sekoly sy ny fiarahamonina ary mandray anjara amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina.
Mampanahy ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny ONG samihafa, izay mpisehatra momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida ny firongatry ny tsimokaretina amin’ny tanora. Satria, tsy ampy ny fanentanana eny ifotony.
Vonjy




