Hisy fandidiana maimaimpoana hydrocèle (Voa Be), hernie, ary famorana hatao ao Ambilobe, ny 25-29 novambra; ao Sambava, ny 1 ka hatramin’ny 4 desambra ary ao Antalaha, ny 5 ka hatramin’ny 9
desambra. Mikarakara ny hetsika ny fikambanana Fitefa. Afaka mangataka fanazavana sy misoratra anarana amin’ny laharana 032 44 119 20 ireo liana amin’ ny tolotra.
Ho mora kokoa ny fiforonan’orana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka amin’ny faritra maro, saika manerana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Hisy fiakarana ny maripana ambony ny fiandohan’ny herinandro. Tsy hisy fiovana goavana andrasana kosa aorin’ izay. Manoloana ny mety ho firotsahan’ny orana amin’ ity herinandro ity, entanina ny mponina amin’ireo toerana ho voakasika mba hanangona rano ho ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro. Manodidina ny 13-26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 27-38 °C ny tolakandro.
Tontosa ny fanolorana vonjimaika ny trano Espace sûr ao Ambovombe Androy. Natao ity trano ity ho fanaovan’ireo vehivavy sy zatovovavy fiofanana sy fifampizarana eo amin’ny samy vehivavy hifandinihana ny mahasoa, ho fanatsarana ny seha-piharian’izy ireo. Izany no tontosa dia noho ny fiaraha-miasan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny UNFPA sy OIT.




