Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra

Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandri­ampahalemana tao Ma­nanara Avaratra, faritra Am­batosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Ava­ratra izany, dia i Boto Elvis.
Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, ny 19 jolay 2025, ka nahafate­sana renim-pianakaviana iray. Naratra mafy kosa ny faharoa. Mbola nitrangana fandrobana mpandraharaha iray koa teny ambony moto tao an-toerana. Maty vokatry ny kapoka hazo nahazo azy ilay raim-pianakaviana mpandraharaha. Tsy nielanelana herinandro akory dia olona roa izany namoy ny ainy.
Noho ny ahiahy teo amin’ ny tomponandraikitra mahefa tao anatin’ny faritra Amba­tosoa, nisy fidinana ifotony tampoka tao amin’ny fonjan’i Mananara Avaratra ka teo no nahitana fa misy jiolahy roa efa mpanao heloka bevava miverimberina tsy hita amin’ny fonja. Natao fanadihadiana tany Maroantsetra, ny 25 jolay lasa teo, ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra. Tao­rian’izay, namoaka didy fila­zana fikarohana an’i Ale­xandre monina sy mipetraka ao fo­kontany Inara, koaminina ambanivohitra Antananarivo, izay anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny raharaha ratsy maro tao Ifasina sy San­drakatsy.
Faharoa, tsy hita tao amin’ ny fonja ihany koa ka namoahana didy fikarohana i Leance Félix monina sy mipetraka ao Ambitsika tsy lavitra ny seranam-piaramanidina An­ta­nambe – Mananara.

Sajo

Partager sur: