Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho.
Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy Senior, lehilahy. Fihaonana tanterahina any Nouakchott, Mauritanie. Nisantatra izany ny fifaninanana mitifitra «tir de précision». Tafita hiatrika ny dingana ampahefa-dalana i Mamy Ronaldinho, taorian’ireo «ateliers» natao. Nitana ny laharana fahadimy izy ary nahazo isa 45. Avotra tamin’ny ora farany ihany koa i Mauritanie. Tsy nahavoa ny “bouchon” inefatra nisesy ilay mpilalao kameroney ka teo no nahatafita an’i Mauritanie.
Hatao amin’ity anio ity izany dingana izany ka hidona amin’ i Mamy ilay alzerianina, i Samir Boutarfa. I Senegal hifampitana amin’i Tunisie. Izay tafavoaka amin’ireo no mikatroka amin’izay afaka amin’i Madagasikara sy i Algerie eo amin’ ny manasa-dalana. I Mali hikatroka amin’i Mauritanie ary i Comores hifampitana amin’i Maurice.
Efa nanomboka omaly ihany koa ny fifanintsanana teo amin’ ny olon-droa miaraka sy ny olon-tokana ka fihodinana dimy no indray novitain’ireo mpandray anjara rehetra.
Raha ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, ho fantatra amin’ity anio ity avokoa ny ho tompondaka eo amin’ny “tirs de précision” sy ny an’olon-droa ary ny olon-tokana. Rahampitso alarobia vao miditra an-tsehatra ny olon-telo miaraka. Hotanterahina amin’izany avokoa ny dingana dimy. Amin’io ihany koa no hanaovana ny kaongresin’ny kaonfederasionina afrikanina (Casp).
Hiatrika ny amboaran’ny kaonfederasionina ireo tsy tafakatra amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ny zoma ny famaranana amin’ireo fifaninanana roa ireo.
Tompondaka




