Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana

Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy izao, ho fanatsarana sy fampivoarana hatrany ny taranja, ity filohan’ny federasionina ity. Nahitana teknika avo lenta nandritra ny fifaninanana, izay ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny Muay thai eto Madagasikara. Nampahatsiahy ny filohan’ny federasionina fa nisy ny ezaka teo amin’ny lafiny fampiofanana natao tamin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Nisy mihitsy ny fivoahana tany ivelany niatrehana izany fampiofanana izany. Teo ihany koa ny fifanina­nana iraisam-pirenena natao tany Maorisy, niadiana “ceinture” 3 ka azon’i Mada­gasikara ny iray tamin’izany. Tafiditra amin’ny fampivoarana ny taranja daholo izany, raha ny nambarany. Mbola hampitomboina amin’ny taona hoavy 2026 izany fanatsarana izany.

Mi.Raz

Partager sur: