Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavimasoandro, ny fankalazana ny Andron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RCTS). Notsiahivin’Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana ireo ankizy beazina ao. Raha ny zava-bita indray, teo ny nahatsanganana fotodrafitrasa hilalaovana basikety, ho an’ireo kilonga 30 mianadahy.
Raha ny taranja rugby, tena ahalalana ny RCTS, nisongadina ny vokatra vitan’ny sokajy Senior, vehivavy, izay tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanam-pirenena (2024-2025) ary ny toerana fahatelo teo amin’ny fiadiana ny amboara. Tonga teo amin’ ny dingana ampahefa-dalana kosa ny sokajy lehilahy.
Tsiahivina fa misy enina mirahavavy mandrafitra ny Makis Ladies, novolavolain’ny RCTS. Ankoatra izay, efa eo am-pamitana taratasy ara-panjakana ho an’ny kianja, ny tomponandraikitra ankehitriny. Nohamafisin’i Daniel Bessaguet, mpitantana ankapobeny fa misahana ireo ankizy amin’ ny fianarana sy ny fahasalamana ny ivontoerana, izay tohanan’ireo mpiara-miasa avy any ivelany, toy ny Pachamama, ny Rugby French Flair, ary ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.
Fitia Randria




