Tsy tana ny ain’ny ramatoa iray 64 taona sy ny zaza vao efa-bolana monja taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, distrikan’Ambositra, ny 23 novambra lasa teo. Nitondra mpianakavy avy namonjy fahoriana tany amin’ny distrikan’Anjozorobe io fiara io. Nikasa hitodi-doha any Fianarantsoa izay tanàna fonenany izy ireo kinanjo tra-doza tampoka. Tafavoaka ny arabe ka latsaka tany ambany tetezana ny fiara. Nifamonjen’ny nanatri-maso ireo mpandeha tao anatiny. Tsy nahatsiaro tena taorian’ny loza ilay zaza vao efa-bolana monja sy ny ramatoa iray 64 taona ary ny mpamily ny fiara. Nentina avy hatrany nihazo ny toeram-pitsaboana izy ireo. Nananosarotra ny fahasalaman’io zaza io sy ilay ramatoa ka tsy avotra. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny loza, hatreto. Anatin’ny fanaovana famotorana rahateo ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Ahina ho tratry ny torimaso fotsy ny mpamilin’ny fiara, tamin’io marain’ny alahady 23 novambra io.
Tsiferana R.




