Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ka nahafaty ny zanany roa lahy tetsy Imerimanjaka By-Pass, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka izao nalefa vonjimaika eny am-ponja izao ny tenany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Namoy ny ainy afakomaly ireo tovolahy roa (19 sy 29 taona) tratry ny fahapozinanana tany Toamasina, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina, niara-nisotrosotro tany amin’ny toeram-pisotroana iray izy telo lahy. Rehefa tonga tany an-trano, afaka telo andro dia samy narary avokoa. Mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray ambiny.
Lehilahy iray tratra nitondra valizy tany Ambato-Boeny, ny sabotsy maraina teo. Tsikaritry ny polisy ho hafahafa ny fihetsiny ka voatery nosavaina. Nahitana akanjon-jaza sy finday miisa fito tany anatiny. Niezaka nandositra anefa ity farany saingy voasambotra ihany. Efa miatrika fanadihadiana ny tenany.
Famonoana sy fanindronana antsy mpiseradia iray tany Saharoaloha sy Vatofotsy. Olona efa-dahy nahiditra am-ponja, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Samy mpitondra bajaj sy cyclo-pousse avokoa izy rehetra ireo. Lonilony vokatry ny disadisa nisy teo amin’ireo mpitondra bajaj ireo no nitarika tamin’ny tsatok’antsy ka nahafaty an’ilay mpiseradia. Mbola mitohy ny fikarohana ny niray tsikombakomba tamin’izy ireo.




