Nentin’i Zigle nitety an’izao tontolo izao indray ny anaran’i Madagasikara. Norombahiny ny «La main d’or 2025», mpilalao mendrika indrindra maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Izy no Malagasy voalohany nandrombaka izany.
Nanakoako maneran-tany indray ny lazan’ny tsipy kanetibe malagasy, ny alatsinainy alina teo. Norombahin-dRakotondraibe Jean François Daniel (Zigle), ny “La main d’or 2025” na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany, ho an’ny sokajy lehilahy. Fifaninanana nokarakarain’ny L’équipe à Polo ao France. Mitovy endrika amin’ny “Ballon d’or” ity mari-boninahitra ity. Ny mpankafy amin’ ny vazantany efatra no mifidy amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.
Taorian’ny latsabato, nahazo ny vato be indrindra i Zigle nanoloana ireo andrarezina maneran-tany, toa ilay italianina i Diego Rizzi sy Ratchata, teratany thaillandais, ary ilay frantsay, i Michel Hatchadorian… Raha tsiahivina, tompondaka maneran-tany teo amin’ny fitifirana “tir de précision” ny taona 2024, natao tany France, i Zigle. Ny tovolahy izay nahazo fifanarahana any France ka hilalao ao amin’ ny klioba Décines, miaraka amin’i Yves Sedrick, mandritra ny efa-taona azo havaozina. “Misaotra antsika rehetra nifidy ahy fa zava-dehibe ho ahy izao anaram-boninahitra azoko izao. Hiezaka hatrany aho ny hitondra avo ny lazan’
ny tsipy kanetibe malagasy”, hoy izy.
Nihintsana i Mamy Ronaldinho
Tsy namiratra toy izany kosa i Mamy Ronaldinho, teo amin’ny fifaninanana mitifitra “tir de précision”, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tanterahina atsy Mauritanie. Omaly, nifarana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny lalany. Nosakanan’ ilay tonizianina, i Mohamed Khaled Bourgriba, izy. Resy tamin’ny isa 37 no ho 30, taorian’ny “ateliers” dimy nifaninanana. Hitohy anio ny fifaninanana ka hiditra an-tsehatra ny olon-telo miaraka.
Tompondaka




