Hotanterahina ny 27 sy 28 desambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Judo. Io no fifaninanana hamaranana ny taona ho an’ny Federasionina malagasin’ny Judo. Araka ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny zoma 26 desambra ny fivoriana ara-teknika ka hitohy avy hatrany amin’ny antsapaka ho an’ny sokajy Minimes sy Senior izany. Hisantantra ny fifaninanana rahateo ireto farany, ny sabotsy 27 desambra, ka hatao ny maraina ny fifanintsanana ary ny sabotsy hariva ny famaranana. Ny alahady 28 desambra, hiditra an-tsehatra ny mpikatroka eo amin’ny sokajy Cadets sy Junior. Ny maraina ihany koa ny fifanintsanana ary ny hariva ny famaranana. Toy ny efa fanao isan-taona, rehefa fiadiana ny amboaran’i Madagasikara toy izao, hisy ny fanadinana sy fampiakarana grady, manomboka amin’ny 1er Dan hatramin’ny 5e Dan. Hatao ny zoma 26 desambra ny fanadinana ary ny alahady ny fanomezana grady, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina.
Mi.Raz




