Baolina Kitra-« Grand Match de Défi »: Amboara lehibe ho an’ny ekipa mpandresy

Efa manomboka mahoraka sy malaza ao Toamasina sy anaty tambajotran-tserasera ny lalao baolina kitra “Grand match de défi”, hotanterahina ao amin’ny Kianja Barikadimy, ny 28 desambra ho avy izao. Fi­haonana hifanandrinan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany sy ny Barea Chan amin’ny ekipan’ny Disciples FC Va­kinankaratra. Nilaza ny mpi­ka­rakara, Patricio, fa hisy ny amboara lehibe hatolotra ho an’ny ekipa mpandresy amin’ity hetsika goavana ity.
Araka ny fanadihadiana natao omaly, ho avy amin’io lalao ara-pirahalahiana io ireo avy atsy La Réunion, ry Tsiry Kely, Rojo Be, Berajo, Théo­din, Jimmy Simouri, Nicolas, Thamon, Nina, Fabrice, Tojo Nirina, Bourahim. Miampy an-dry Amda Joanitto, Thino, Ziad, mpilaravinahitra atsy France, sy ry Maxence sy Mi­ckael, avy any Suisse.
Raha ny filazany tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, ho avy hanatevina ireo mpilalao koa i Toldo, mpian­dry haraton’ny Barea Chan fa­­rany teo.
Tsara ny mampahafantatra fa manana mpilalao sangany efa nandalo Barea ihany koa ny Disciples FC. Anisan’ izany ry Donga, Tendry, Da­he­ry, Claude, Andy, Bono, Tantely.
Marihina fa nataon’ny Disciples hanomanana ny taom-pilalaovana vaovao amin’ity io lalao fitsapana io.

Fitia Randria

Partager sur: