Mitana ny laharana faha-43 maneran-tany ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Filaharana navoakan’ny World Rugby, ny 24 novambra lasa teo. Manana isa 45, 76 ny Makis amin’izany. Ho an’ny vehivavy indray, laharana faha-31 ny Makis Ladies, manana isa 42, 34. Mbola ny Springboks Afrika Atsimo no voalohany maneran-tany raha ny XV de la Rose Angleterre ny eo amin’ny sokajy vehivavy.
Nifarana ny alahady teo, tatsy Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja bisikileta. Nandray anjara nisolontenan’i Madagasikara, i Mohamed Houlder Amédé, mpilalaon’ny COSPN. Tsy afaka niatrika ny « course à la montre » moa ny tenany noho ny olana ara-teknika ary solafaka teny ampandehanana kosa izy nandritra ny fifanintsanana « Course en ligne ». Raha ny fanazavana, vaky ny kodiaran’ilay bisikiletany ka tsy afaka nanohy ny lalao intsony ny tenany.
Hotanterahina, ny 30 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny “Combat Avenir VI”, karakarain’ny Lion force. Ny fifaninanana eo amin’ny Low kick, K1 ary ny Full Contact no hifaninana mandritra ity andiany faha-6 ity. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifaninanana amin’io. Aorian’izay, hitohy amin’ny fifaninanana “Fight Night” ny fandaharam-potoana ho an’ny Lion Force, ny 21 desambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ihany.




