Nandritra ny ora-nikidra : Ankizy 13 taona maty nilatsaham-potaka

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona telo nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija, tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, afakomaly.

Ankizilahy 13 taona na­moy ny ainy rehefa nila­tsaham-potaka nandritra ny ora-nikija tao amin’ny fo­kon­tany Antanambao, kaominina ambanivohitra Alatsi­nainy Bakaro, distrikan’Andra­masina, ny tolakandron’ny talata 25 novambra lasa teo. Tra-doza tampoka ny olona miisa telo mianaka izay tamin’ ny fokontany roa samihafa. Nipoaka ny varatra tao amin’ny tanànan’ Ambolisikina, fo­kontany Vato­soa, tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Nisy fipoahana fanindroany koa, tao Antapo­tokana. Raim-pianakaviana iray 56 taona sy ramatoa iray 50 taona ary ankizilahy vao 13 taona ireo niara-lasibatra nandritra ny loza ireo. Nikoropaka ny fokonolona namonjy ireo lasibatra. Tsy nisy nahatsiaro tena avokoa ireo nipoahan’ny varatra. Tsy nahetsika intsony ilay an­kizilahy. Nivoa-dra ny sofiny. Notsapain’ireo nanatri-maso izy saingy efa tsy nisy aina intsony.

Notsaboina
Nanao izay ho afany na­mon­jena ireo olona roa anisan’ny voa mafy nandritra io fipoa­han’ ny varatra io, ny nanatri-maso. Niantso ny manam-pahefana eo anivon’ny kaominina rahateo izy ireo. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay renim-pianakaviana sy rangahy tsy nahatsiaro tena. Tsy nahina ny ain’izy ireo. Avotra soa aman-tsara ireto farany taorian’ny hatairana diso tafahoatra na­hazo azy ireo. Natolotra ny fianakaviany ny vatana manga­tsiakan’ilay ankizilahy maty. Fotoana hi­trangan’ny voina tampoka tahak’ity niseho tao amin’nydistrikan’Andramasina ity ny vanim-potoan’ny orana tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: