Ambohitrarahaba : Lehilahy tratra teo am-pangalarana

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ny lehilahy iray nangalatra kodia­rana fiara sy kojakoja samihafa tao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 22 novambra lasa teo. Nihao­dihaody tsy lavitry ny toeram-piantsonan’ny fiara tao an-toerana io olon-dratsy io. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa ny tompon-trano ka tsy nisalasala niantso polisy. Nigadona teny amin’ny toerana voatondro ny mpitandro filaminana ka niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ilay lehilahy nampiahiahy. Tratra teo am-pangalarana kodiarana sy kojakoja fampiasa amin’ny fiara ity farany. Nentina nihazo ny kaomisaria izy. Ankoatra io, lehilahy miisa enina tratra teo am-pifohana rongony tao Andobotany, kaominina Sabotsy Namehana, ny 23 novambra teo. Nahitana fonosana rongony teny amin’izy enina mirahalahy.

Tsiferana R.

Partager sur: