TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Antanimena, omaly maraina. Nifandona ny fiarakely iray sy moto. Nidona mafy teo amin’ny lohan’ilay fiara ity fa­rany. Vokany, naratra ilay nitondra kodiaran-droa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny an­tony nahatonga ny loza.
Trano iray nirodana tamin’ny ampahany tetsy Atsimontsena, fokontany Atsinanantsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly maraina. Noho ny rotsakorana nisesisesy no nahatonga izany. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’io tranga io.
Renim-pianakaviana iray, mpivarotra piesy sy kojakoja momba ny moto, namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ambodimita, ny sabotsy alina lasa teo. Nitondra moto izy tamin’io fotoana io ary nodomin’ny fiara fitateram-bahoaka, zotra 194, avy ao aoriana. Noho ny ratra nahazo azy, tsy tana ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly Manara-penitra. Namela kamboty efatra mianadahy izy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny Brigade des accidents Tsara­lalàna.
Olona telo namoy ny ainy noho ny fihinanana hazandranomasina atao hoe fano, tany Soharano, Fenoarivo Atsinanana. Nahazo io hazandranomasina io ny mpanjono any an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nividy izany ny ankamaroan’ny olona. Nisy ny narary andro vitsivitsy taty aoriana ary izao namoy ny ainy izao. Mandray an-tanana nitondra ireo marary any amin’ny Hopitaly Be Fenoarivo Atsinanana ny Talem-paritry ny mponina ao Analanjirofo.

Partager sur: