Mifameno sy mifampiankina ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina eo amin’ny olombelona. Matetika tsy ifantohana loatra ny olana ara-tsaina raha tsy efa lasa lavitra. Misy ny fisorohana azo atao sy ny fikoloana izany.
Tafajoro ny Vovonan’ny fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny saina sy ny fitsaboana ny saina (SMSPS), ivondronana fikambanana 13, miaraka amin’ ny Holafitry ny psychiatre, psychologue ary ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny saina manokana. Andraikitra voalohany sahaniny ny famolavolana ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny epilépsie izay efa nahazo fankatoavana ary ampiasaina amin’izao fotoana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vovonana, ny profesora Raharivelo Adeline, neuro-psychiatre, omaly, teny Antaninarenina. Noho ny fahatsapana ny olana maro sedrain’ireo mpisehatra sy ny zava-misy eto Madagasikara momba ny fahasalaman’ny saina no nitarika ny fikambanana sy ireo mpitsabo nanangana ny Vovonana. Vitsy ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, izay miasa an-dRenivohitra koa ny ankamaroany. 11 ny psychiatre am-perinasa amin’izao fotoana ary dimy no an-dalam-piofanana. 14 ny neurologues ary 63 ny psychologues, 46 ny infirmiers miasa ho an’ny fahasalaman’ ny saina, 130 ny mpiasa sosialy. Hatramin’izay, tsy nanana politika momba ny fahasalaman’ny saina i Madagasikara ka sarotra ny fandrindrana ny asa. Vitsy rahateo ny mpanohana ara-bola, ny fanjakana tsy nametraka sora-bola be ho an’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.
Tanjon’ny Vovonana manoloana ireo olana maro hita ireo ny hanohana ny hetsika rehetra mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny saina eto amintsika. Zava-dehibe koa ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fitsaboana ary ny famerenana amin’ny laoniny eny amin’ny fiarahamonina ny olona tratran’ny olana ara-tsaina.
Vonjy




