Nanomboka omaly ny tetikasa fandrefesana ny Anemia na ny tsy fahampian-dra sy vy eo amin’ny zaza. Miara-miasa amin’izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Blédina, Somaped ary ny Opham. Hofanina sy homena traikefa miaraka amin’ny fitaovana ara-teknolojia, fitiliana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza sy ho fisorohana ny tsy fahampian-dra sy ny vy. Nambaran’ny Pr Annick Robinson fa maro ireo zaza tsy ampy vy sy ra. 42% – 66% izy ireo raha ny taona 2024. « Hojerena tsirairay sy raisina an-tanana izy ireo », hoy izy. Anisan’ny mahatonga izany ny sakafo tsy ara-dalàna aorian’ny fahataperan’ny fampinonoan-dreny ny zaza. Miteraka tsy fahampiana samihafa eo amin’ny zaza izany, araka ny nambarany. Anisan’ny maro zaza tsy ampy ra sy vy ny faritra Analamanga ka antony hanombohana ny tetikasa eto. Manaraka ny any Itasy sy Vakinankaratra. Hitohy manerana ny Nosy izany aorian’izay.
Mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny tetikasa amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza eo amin’ny tsy fahampian-dra sy ny vy, araka ny nambaran’ ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana hatrany.
Synèse R.




