Bas Mangoky : Sompitr’Atsimo Andrefana

Nitohy tany amin’ny lemak’i Bas Mangoky, distrikan’i Mo­rombe, ny dian’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, ny 21 novambra 2025 teo. Toerana anisan’ny sompitry ny vary any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny.
Mirefy 7 750 ha ny velaran-tany any amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Tototry ny fasika anefa ny lakandrano any Bevoay, ka tsy mikoriana araka ny tokony ho izy ny rano. Hany ka 2 500 ha sisa ny velaran-tany voatondraka satria tsy voakojakoja ara-potoana ny lakandrano. Nambaran’ny tomponandraikitry ny lakandrano, Randrianasolo Joseph, fa tokony ho ny volana aogositra na septambra ny fotoana fanalana ny fasika, mialoha ny fambolena ny volana oktobra. Tsy vita anefa izany tamin’ity taona 2025 ity, satria tsy nisy ny vola. Hany ka izao volana novambra izao vao nanomboka ny asa ka amin’ny faran’ny taona, desambra 2025, vao hanomboka ny fambo­lena. Nangataka fanampiana gazoala sy vola tamin’ny minisitera ny tantsaha any an-toerana hanaovana ny asa.
Tantsaha tsy afaka namboly i Jean Louis, manana tanimbary 12 ha satria tsy tratry ny rano. Namokatra 100 gony ny tanimbariny tamin’ny 2018-2020, saingy zara raha 30 na 40 gony sisa izany. Mangataka hanafainganana ny fanalana ny fasika ny tenany.

Njaka A.

Partager sur: