Mandalo eto Madagasikara i Sionlé Yeo, Tale jeneraly (DG) ny AFG Holding, miahy ny AFG Bank Madagasikara, ao anatin’ny vondrona orinasa afrikanina Atlantic Group. Notsoriny fa tanjon’izy ireo ny ho banky azo antoka sy fitaratra eto Madagasikara atsy ho atsy. Misehatra amin’ny fandraharahana ara-banky ny AFG Bank, ka maro ny tolotra vaovao omena ny mpanjifa, toy ny ho an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Hapetraka tsy ho ela ny tranoheva tokana, « Mining Desk », hanohana sy hanoro hevitra manokana ny mpandraharaha amin’ny sehatra stratejika.
Misy tohana manokana ihany koa ho an’ny mpandraharaha hampindramam-bola azy ireo, hanarenany ny orinasany, na koa handoavana ny latsakemboky ny Cnaps, ohatra. Eo koa ny famatsiam-bola manokana ny sehatry ny angovo, ny fotodrafitrasa ary ny indostria, ahafahana mampiasa vola maharitra sy azo antoka.
Nohazavain’ny DG Sionlé Yeo tamin’ny ankapobeny ihany koa ny fampiasam-bolan’ny Atlantic Group, orinasa renin’ny AFG Bank. « Vina lavitr’ezaka napetraka ny ho andrin’ny fampandrosoana aty amin’ny ranomasimbe Indianina an’i Madagasikara, satria, hita eto avokoa ny seha-pihariana manan-danja rehetra », hoy izy.
Nomarihiny manokana fa tsy manana petra-bola ao anatin’ny AFG Bank ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy fa tsy araka ny feo mandeha. Antony amin’ny lafiny kaonsila irery ihany no nifandraisan’ny banky sy ity olona voalaza ity. Hany manana petra-bola betsaka ao anatin’ny AFG Bank ny mpanorina ny Vondrona Atlantic Group, teratany ivoarianina, Koné Dossongui.
Njaka A.




